Habakkuk 2

Ny nilazan’ i Jehovah tamin’ ny mpaminany ny amin’ ny handringanana ny Kaldeana

1Hitsangana eo ambonin’ ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin’ ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko amin’ ny fitarainako. 2Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ ny fàfana, Mba ho azon’ ny mihazakazaka hovakina aza
Na: mba hihazakazahan’ izy mamaky azy.
.
3Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ ny fotoan’ andro, Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona. 4Indro, feno avonavona ny fanahin’ ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, Fa ny marina ho velon’ ny finoany
Na: fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
.
5Ary koa, mamitaka ny divay; Ny olona miavonavona tsy mba mahatoetra, Dia ilay mitanatana vava tahaka ny fiainan-tsi-hita
Heb Shoela.
, Eny, toy ny fahafatesana, ka tsy mety voky, Fa manangona ny firenena rehetra ho ao aminy Sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy.
6Tsy hanao oha-teny hamelezana azy va ireto rehetra ireto? Tsy hanao eson-teny sy fitenenana
Heb fampanonona.
hanoherana azy va izy ka hanao hoe: Lozan’ izay mahery mandroaka ny tsy azy! Mandra-pahoviana! dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka
7Tsy hitsangana tampoka va izay hanaikitra anao, Ary tsy hifoha va izay hanaitaitra anao, Ka ho babony ianao? 8Fa efa namabo firenena maro ianao, Ka dia mba hobaboin’ ny sisa rehetra amin’ ny firenena kosa, Noho ny ran’ ny olona sy ny fandozana natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy. 9Lozan’ izay fatra-pila harena amin’ ny tsy marina ho an’ ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin’ ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan’ ny loza 10Efa namoron-tsaina izay hahatonga henatra ho an’ ny taranakao ianao, Dia ny handringanana firenena maro; Ary nankahà-doza hihatra amin’ ny ainao ianao. 11Fa hitaraina ny vato ao amin’ ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin’ ny trano
Heb hazo.
no hamaly azy.
12Lozan’ izay manao vohitra amin’ ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin’ ny heloka! 13Indro, tsy avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, va no hiasan’ ny olona ho an’ ny afo, Sy hisasaran’ ny firenena noho ny zava-poana? 14Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’ i Jehovah, Toy ny fanaron’ ny rano ny fanambanin’ ny ranomasina. 15Lozan’ izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany; 16Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha
Na: aoka ho hita fa tsy voafora ianao.
; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan’ i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin’ ny voninahitrao.
17Fa hanody anao ny loza natao tamin’ i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran’ ny olona sy ny loza natao tamin’ ny tany, Dia tamin’ ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy. 18Mahasoa inona ny sarin-javatra voasokitra, No misokitra azy ny mpanao azy? Na ny sarin-javatra an-idina sy ny mpampianatra lainga, No matoky azy izay namorona azy Tamin’ ny nanaovany sampy moana? 19Lozan’ izay manao amin’ ny hazo hoe: Mifohaza! Ary amin’ ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, Nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny. 20Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masìna; Mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!
Copyright information for Mg1865